Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-18

9 Sendra teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Absaloma. Nitaingina mole Absaloma ary nitsofoka tao anatin'ny rantsan'ny terebinta ny lohany, dia tafahantona teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy, ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.

10 Hitan'ity lehilahy anankiray izany ka tonga izy nilaza izany tamin'i Joaba nanao hoe: Indro hitako tafahantona amin'ny terebinta àtsy Absaloma. 14 Dia hoy Joaba: Tsy te-handany andro aminao aho. Dia nataony an-tànana ny lefona telo, ka ilay mbola velona tao amin'ny hazo terebinta iny Absaloma no notsatohany tamin'ny fony. 19 Ary hoy Akimaasa, zanak'i Sadaoka: Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin'ny mpanjaka, fa nomen'ny Tompo ny rariny izy, noafahany tamin'ny tànan'ny fahavalony.

24 Nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa Davida. Ary niakatra teo ambonin'ny tafon'ny vavahady, teo ambonin'ny manda ny mpitily, ka nanopy ny masony, dia nahatazana, ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka, ka izy irery ihany.

25 Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka. Ka hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia zava-baovao tsara no ao am-bavany. Mbola tamy manatona eo ihany ilay anankiray, 30 Dia hoy ny mpanjaka: Mitanilà kely ary mitoera etsy àry hianao. Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo. 31 Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino zava-baovao mahafaly, fa nomen'ny Tompo anao androany ny rariny, ny amin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao. 32 Fa hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara tsy misy maninona va ny amin'ny zatovo, Absaloma? Ary hoy ny navalin'ilay Kosita: Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko, mbamin'izay rehetra mitsanga-kanisy ratsy anao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166